Nanazava ny teo anivon’ny Bianco omaly tolakandro fa tsy ny raharaha Ambohimahamasina no nisamborana ny mpanolotsain'ny filoham-pirenena Razaimamonjy Claudine fa na "Claudine A§C" fa raharaha hafa izay efa nitranga tamin'ny taona 2013 ary mbola mitohy hatramin'izao.
Raha ny fanazavana, efa eny am-pelatanan'ny fitsarana ny raharaha fanodinkondinam-bola manodidina ny 390 tapitrisa niseho tany Ambohimahamasina, faritra Matsiatra Ambony ny taona 2014, izay efa niantsoan’ny Bianco azy in-droa nisesy mba hanaovana fanadihadiana, saingy tsy noraharahainy. Tratry ny aloka kosa izy ankehitriny ary naman’ny tsy ho afa-bela raha fahitana azy aty am-boalohany. Manomboka ny fanatsikafonana ireo aferany rehetra. Ny tsilian-tsofina dia i Hery Rajaonarimampianina mivady mihitsy no mandentika azy noho izy voalaza fa efa manao fitan-droa sy mifandray an-tsokosoko amin’ny adversera. Ankoatra izay, mivoaka ihany koa ny afera be tamin’ny fanodinkodinam-bola 3 miliara ariary saika hanampiana ny traboina tany Antsakabary, saingy naviliny. An-kilany, re ihany koa fa miketrika mafy ny hamoahana ity vehivavy ity ny loholona Riana Andriamandavy VII, zaodahiny ihany. Ity loholona ity dia anisan’ny efa voatonontonona tamin’ilay raharaha Ambohimahamasina noho izy efa nitana ny toeran’ny Lehiben’ny faritra Matsiatra Ambony tamin’ny 2014, ka izy no voalaza fa nanome ny tsena ho an’i Claudine A§C. Efa manomboka ihany koa ny fanetsehana ireo fikambanana isan-karazany avy any amin’ny faritra Fianarantsoa mba hitaky ny famoahana ity vehivavy mpanao afera malaza ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.