Tafaverina soa aman-tsara teo anilan’ny fianakaviany ny alakamisy 20 aprily tamin’ny 8 ora alina i Firoze Nourbhay, ilay zanaka karana nisy naka an-keriny teo am-pakana bus scolaire.
Sivy andro nanjavonana io zaza io. Salama tsara izy, tsy nisy nandrimbinana. Misaotra sy mankasitraka feno ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatry ny Lycée Français Ambatobe sy ireo mpianatra ao an-toerana niara-naneho ny firaisankinany tamin’iny tranga ity ny fianakaviany ary manantena hatrany ny fifanohanan’ny rehetra. Ho an’ny CFOIM manokana izay fikambanana hivondronan’ireo teratany Karana eto amintsika dia manantena ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana izy ireo amin’ny fanasaziana ireo olona niray petsapetsa tamin’ny fakana an-keriny an’i Firoze Nourbhay. Toraka izany koa ny fanafoanana tanteraka ireo mpaka an-keriny eto amin’ny firenena, hahafahan’ireo teratany karana miaina amim-pilaminana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.