Neken’ny filankevitry ny governemanta natao omaly ny fananganana ny Comité National pour la Migration Numérique (CNMN), izay komity iray hanafaingana ny fitsimbadihana mankany amin’ny Télévision Terrestre numérique (TNT).
Midika izany fa tena efa roso ny dia ka tsa mipody intsony. Tsy hihemotra amin’ity resaka TNT ity mihitsy ny fitondrana Malagasy, noho ny antony izay mbola manjavozavo amin’ny rehetra. Nanome toky ny minisitry ny serasera sy ny filazam-baovao Reboza Cyrille fa hisy ny fifampiresahana amin’ireo tompona haino aman-jery handrindrana ny asa tsy maintsy atao rehetra. Ireto farany anefa dia mbola velon’ahiahy ny amin’ny tena maha laharam-pahamehana marina ity resaka fitsimbadihana amin’ny TNT ity. Vao omaly ihany koa no nanamafy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera fa tsy maintsy hirosoana ny TNT, hatsangana ny filankevitra ambony misahana ny haino aman-jery mba hanara-maso ny kalitaon’ny fandaharana vokarin’ny fahitalavitra tsirairay avy eto Madagasikara satria misy fenitra tsy maintsy hajaina ny fidirana ao amin’ny TNT.11 no ho mpikambana ao anatin’io komity io ary ahitana ny solontenan’ny haino aman-jery. Mbola miandry ny filankevitry ny governemanta kosa ny famolavolana ny didim-panjakana manangana azy. Miankina amin’ireo tompona haino aman-jery izany sisa no mety ho tohin’ny raharaha, fa raha ny an’ny fanjakana dia efa mazava ny heviny fa tsy maintsy irosoana ny TNT. Anisan’ny mahatonga ny ahiahy tsy hihavanana amin’ity resaka ity moa ny fahafantarana fa mora kokoa ho an’ny fanjakana ny mifehy ireo haino aman-jery tsy mainkina rehefa tafapetraka ny TNT, izany hoe mora kokoa ny manao sivana. Fa ara-bola dia mitaky ezaka goavana koa izy ity na ho an’ny mpanjifa na ho an’ireo orinasana haino aman-jery satria ny fitaovana avo lenta ampiasaina amin’ny tontolo « numérique » dia tena lafo vidy tokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.