Anjakan’ireo karazana fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena samihafa ny sisin-dranomasina eto Madagasikara noho ny tsy fahampian’ireo fitaovana fampiasan’ny tafika Malagasy hanaraha-maso ny faritry ny ranomasina manodidina.
Hanampy betsaka amin’ny fiarovana ny sisin-dranomasina eto amintsika noho izany ny fahatongavan’ireo sambo miisa roa avy amin’ny Repoblika entim-bahokan’i Sina izay andrasana amin’ny volana janoary 2016. Tontosa omaly teo amin’ny masoivoho sinoa Yan Min sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ny jeneraly Rakotozafy Dominique tokoa mantsy ny sonia fifanarahana amin’ny endrika fanomezana ireo «patrouilleur type C» ahitana fitaovam-piadiana miaraka amin’ny vatsim-bala ireo. Mitentina 30 tapitrisa yens na 4,7 tapitrisa dolara moa ity tantsoroka ho an’ny tafika an-dranomasina Malagasy avy amin’ny firenena sinoa ity. Hojerena akaiky ny fampiasana araka ny tokony ho izy sy ny fikojakojana azy ireo mba tsy hipetra-potsiny indray afaka taona vitsivitsy tahaka ireo fitaovana efa hananantsika teo aloha, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.