Actualités

Firenena Mikambana Mankalaza ny faha-71 taona nijoroany


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2016

24 oktobra ! Toy ny isan-taona dia hankalazaina anio ny andron’ny Firenena Mikambana, hanamarihana ny tsingerin-taona nijoroany.

Taorian’ny Ady lehibe faharoa tamin’ny 1945 no nitsanganan’ny  Firenena Mikambana, saingy tamin’ny 1947 no takapa ny hevitra fa hatokana ho Andron’ny Firenena Mikambana ny 24 oktobra toy ity anio ity ary marihina isan-taona. 71 taona katroka izany no nijoroan’ny Firenena Mikambana. Miisa 193 ireo firenena mambra raha misy 197 ireo ankatoavin’ny Firenena Mikambana ny maha firenena azy. Tamin’ny 20 septambra 1960 i Madagasikara no niditra ho mpikambana. Ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana na PNUD no mandrindra ny asan’ireo sampandraharaha miankina aminy eto. Nanana andraikitra lehibe tamin’ny famahana ny krizy sy ny fanatanterahana fifidianana nialana tamin’ny tetezamita teto Madagasikara ka niverenana amin’ny ara-dalàna ny Firenena Mikambana raha ny taorian’ny 2009, ankoatra ny fanohanana ireo tetikasa momba ny demokrasia, fitsinjaram-pahefana, fanisam-bahoaka ...

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT