Minisitra miisa 17 avy amin`ireo firenena tena mpamokatra angovo eto Afrika no hihaona mandritra ny hetsika “Herinandron`ny solika” any Cap-Vert ny 4 ka hatramin'ny 8 novambra 2019.
Tanjona ny hananganana fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny angovo sy ny solitany. Fotoana ihany koa izany hiresahana ny paikady nasionaly, ny fifaninanana amin`ireo firenena matanjaka, ny famoahana fahazoan-dalana ary ny fanamafisana ireo tolo-bidy. Hampiseho amin'ny antsipirihany ny tetikadiny momba ny tontolon`ny fitrandrahana ireo minisitra ireo manoloana ny mpanatanteraka maherin'ny 1.500 ka tafiditra ao ny CPN, ny CPI, ny mpandraharaha tsy miankina, ny fiarahamonina jeo-siansa, ny orinasam-piantsonana, ny EPC ary ny tontolo ara-bola. Marihina fa ny “herinandron`ny solitany” dia hetsika goavana eto Afrika mba ahafahan`ireo firenena mpamokatra angovo sy solitany manavao ireo fiaraha-miasa amin`ireo mpiara-miombon`antoka. Firenena anisan`ireo handray anjara amin`ny fihaonana i Nizeria, Ginea Ekoatorialy ary Tonizia. Tsy mbola fantatra raha tafiditra i Madagasikara saingy ny andrasan’ny rehetra dia mba tsy ho tompony mangataka ny atiny lava izao ny vahoaka malagasy, fa mba hahazo tombony fa tsy ny vahiny no hahazo sehatra lava izao. Tsy ho solika handoro ny firenena fa hanome aina vao ny toekarena malagasy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.