Tsy mipetra-potsiny akory ny firaisankinan’ny sendika eto Madagasikara na ny SSM fa miezaka ny mijery sy manara-maso akaiky ireo zava-misy eto amin’ny firenena.
Hisy ny fihaonana karakarain’izy ireo etsy amin’ny Arrupe Faravohitra ny 02 sy ny 03 aprily ho avy izao ka lohahevitra maro no havoitran’izy ireo ao anatin’izany, raha araka ny fanazavan-dRaharison Rakotomanga, sekretera jeneralin’ny SSM. Ireo maharary ny vahoaka no tena horesahin’izy ireo raha ny fantatra toy ny karama raisina isam-bolana na ho an’ny mpiasam-panjakana na ho an’ny sehatra tsy miankina. Efa telo volana mantsy izay, hoy Raharison Rakotomanga no nitondran’ny filoha ankehitriny saingy tsy niresaka izany izy na kely aza, fampanantenana nataony tamin’ny vahoaka nandritra ny fampielezan-kevitra nataony. Hamoha io fampanantenana io ny SSM ankoatra ny fijerena ireo mpiasa eny anivon’ny kaominina izay tsy mandray karama raha vantany vao misolo ny ben’ny tanàna nefa izy ireny no tena miasa mafy manampy ny vahoaka. Nomarihin’ity sekretera jeneraly eo anivon’ny SSM ity moa fa hoentin’izy ireo eo anatrehan’ny kandida solombavambahoaka ny soso-kevitra rehetra mivoaka aorian’izany entina hanatsarana ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.