Actualités

Firaisamonim-pirenena Rafitra tsy mahaleotena ny HCDDED


  • Alakamisy 24 Martsa 2016

Nataon’ny fitondrana mahefa ankilabao hatrany ny fijoroan’ireo fikambanana sy vovonana fiarahamonim-pirenena marobe manerana ny nosy, hoy ny Rindran’ny Olom-pirenena

Hiarovana ny Iaraha-manana. Fomba fanao lasa raiki-tapisaky ny mpitondra nifandimby, ohatra, ny kitranoantrano amin’ny fanendrena ireo solontenan’ny firaisamonim-pirenena ao anatin’ny andrim-panjakana na rafitra ara-dalàna tahaka ny hita teo anivon’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy sy ny Filankevitra Ambonin’ny Fitsarana. Ahiana mbola hitranga ihany koa io fihetsika mamohehatra io amin’ny fisoloantenan’ny fiarahamonim-pirenena ao anatin’ny «Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit» ankehitriny. Midika izany fa ho tsangan-drafitra tsy hahaleotena velively indray ilay Filankevitra avo ho fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna hijoro eo. Manana fahefana goavana amin’ny fanovana ireo lalàna tsy mifanaraka na mifanipaka amin’ny fampanjakana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna anefa ireo mpikambana mandrafitra ny HCDDED. Antoka amin’ny fampiharana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna rahateo ny fisian’ny firaisamonim-pirenena, hoy ireo fikambanana sy vovonana mivondrona ao amin’ny Rohy.  

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT