Actualités

Fipoahana teny Betongolo Niala tsiny ny tafika


  • Zoma 24 Martsa 2017

Nitondra fanazavana mikasika ilay fipoahana teny amin’ny Toby R3A eny Betongolo, izay niantefa tamina trano iray teny Tsiadana ny tafika.

Nambarany fa fipoahan'ny vanja mandefa ny fitaovana fanazarana fitifirana ana habakabaka na "cibles aériennes volant" ho an'ny balafomanga "Strela" izay fitifirana fiaramanidina izy iny. Fipoahana nandritra ny fisafoana ireo fitaovam-piadiana sy fitaovan’ny tafika nataon'ny tompon'andraikitra no niseho. Nanao fialan-tsiny tamin’ny fanelingelenana niseho ny tafika, ary nanambara fa tsy misy ifandraisany amina resaka asa fampihorohoroana iny toe-javatra nitranga iny, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika Malagasy. Ny tafika ihany koa no miantoka ny fitsaboana ilay ramatoa naratra sy ny fanamboarana ny trano niantefan’ilay zavatra nanidina ka nianjera teny Tsiadana. Raha ny vaovao farany, efa nahazo fitsaboana io ramatoa io ary tsy misy ahiana intsony ny fahasalamany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT