Asa na tena noho ny krizy marina na noho ny firosoana amin’ilay fampihavanana no mahatonga ny toe-draharaha sosialy somary mafampana eto amintsika tato ho ato izay. Misy ny ben’ny tanàna ahiana fa nitifitra ary nahafaty olona tany Maintirano amin’ny anaran’ny fampiharana ny dina
Misavorovoro efa ho roa andro izao ny any Toamasina noho ny delestazy, tsy resaka adihevitra fotsiny io fa tena efa misy fanimban-javatra sy fifandonan’ny olon-tsotra amin’ny mpitandro filaminana mihitsy. Misy ihany koa ny fikambanana nijoro tampoka milaza fa tsy manaiky ny famotsorana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ka hoe hidina an-dalambe, ankoatr’ireo dia efa miomankomana hitokona ihany koa ny mpiasan’ny SMMC. Any Toamasina avokoa izany rehetra izany. Mialoha io dia efa voaroba sy nopotehana ihany koa ny Sucoma Analaiva any Morondava, ary nisy ny aina nafoy tany sy ny famonoan’olona tamin’ny fomba feno habibiana.Asa aloha raha mba mandinika tsara ireo tranga ireo ihany ny fitondram-panjakana na ahoana, fa raha izao no mitohy dia ho raharaha ny hitranga eto amin’io taona vaovao io. Tena sarotra alamina noho ny olana ara-politika ny olana ara-tsosialy satria rehefa ny vahoaka izay no mitroatra dia efa zava-doza ary fambara ratsy ho an’ilay fitondram-panjakana .Tsy voalamin’ny sonia sy fizarana seza ny vahoaka, fa rehefa tezitra izy dia ….izay no izy e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.