Actualités

Fiparitahan’ny fitaovam-piadiana Tena sahirana ny tafika


  • Alarobia 10 Febroary 2016

Andraikitra lehibe mbola miandry ny foloalindahy malagasy ny famerenana an-dakazerina ireo fitaovana mahery vaika miparitaka.

 

Toy ny tranga tany Vavatenina tamin’ny herinandro lasa teo sy ireo karazana fanafihana miseho any amin’ny distrika maro samy hafa. Na vaky trano na halatra omby dia saika andrenesana hatrany fampiasana ny fitaovam-piadian’ny miaramila. Na dia somary nangingina aza ny raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud tany Toamasina izay nahitana fitaovam-piadiana tena nahery vaika ary mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao maro ankehitriny ny ho vokatry ny fanadihadiana. Tsy hafenina fa ny mampanahy ny maro ny mety tsy handrenesana intsony ny tohin’ireny fanadihadiana momba ny fitaovam-piadiana miparitaka ireny sy ny raharaha maro samihafa toy ny fanasaziana ilay mpitandro ny filaminana nanao fanamparam-pahefana tamin’i Jean-Pierre teny Ankatso. Momba ireo fitaovam-piadiana tratra tany Toamasina dia nisy manamboninahitra jeneraly iray nanamafy fa efa mandeha ny fanadihadiana eo anivon’ny tafika momba azy ireny. «Rehefa vita dia omena ny polisy mpanao fanadihadiana », araka ny nambarany. Nanamafy  ny tenany fa ny hetsika ara-politika 2002 no tena nahatonga ny fiparitahan’ny basin’ ny Tafi-bahoaka ary maro no tsy tafaverina hatramin’izao.

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT