Actualités

Fiovaovan’ny toetr’andro Mila miomana hanatsarana ny vokatra


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Tombanana eo amin’ny 2 hatramin’ny 3 taonina isaky ny hektara eo ny voka-bary eto Madagasikara ary rehefa tsara ny vokatra dia mety mahatratra hatrany amin’ny 5 taonina isaky ny hektara mihitsy.

 

Nihatsara ny voka-barin’i Madagasikara tamin’ity taona 2018 ity raha oharina ny taona 2017. Nahitana fitomboana 30% izany satria nahatratra 4 030 000 taonina ny akotry tamin’ity taona ity raha 3 100 000 taonina tamin’ny taon-dasa. Ho fanohizana ny ezaka dia tokony hiomana fatratra ny tantsaha ny amin’ny mety ho fiovaovan’ny toetr’andro. Amin’izay mantsy no mety hisian’ny tsy fahampian’ny orana na mety ho lasa betsaka loatra ihany koa ka mety tsy hahatsara ny vokatra. Tsy angano intsony fa efa misy eto Madagasikara ity fiovaovan’ny toetr’andro ity kanefa fantatra fa mivelona tanteraka amin’ny fambolena ny ankamaroan’ny Malagasy. Tokony hisy ny fampivondronana ny tantsaha mpamboly ny amin’izay mety tokony ho fantatra sy ny fiatrehana azy. Zavatra maro mantsy no mety ho voakasika amin’io fiovaovan’ny toetr’andro io ka tsy tokony hiandriandry intsony ny rehetra. Voalohany ny vola miditra amin’ny tantsaha izay maro an’isa eto amin’ny firenena. Eo ihany koa ny fiahiana ara-tsakafo, ny filana araka angovo sy ny ara-tany izay mifandray amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Raha tsy voafehy izay dia tsy ho tsara ny famokarana ary hisy akony ratsy amin’ny toekarena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT