Actualités

Fiovaovan’ny toetr’andro Mamotika ny sehatra fambolena


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Tahaka ny mahazatra dia ankalazaina isan-taona ny herinandro mahakasika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Anisan’ny nanamarika izany i Madagasikara omaly alakamisy 11 oktobra tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely niaraka tamin’ny Vondrona Eoropeanina.

 

 

Nisy ny fanampiana nentin’izy ireo ahafahan’ny firenena miatrika izany. Tsy anganongano intsony fa efa tena iainana eto Madagasikara mantsy  ity fiovaovan’ny toetr’andro ity. Marik’izany rehefa avy ny orana dia mitondra tondra-drano ary rehefa tsy misy izany dia miteraka hain-tany mihitsy. Mikorontana hatramin’ny famokaran’ny tantsaha ny amin’ny fanarahana ny fotoana mety  hambolena ary misy akony ratsy mihitsy izany. Voasokajy ao anatin’ny firenena marefo anefa i Madagasikara ny amin’ny fahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Misy ny paikadim-pirenena izay entina mampiakatra  ny fahafahana misedra ny fiovaovan’ny toetr’andro. Misy ny tetikasa mahasahana faritra 5 any amorotsiraka ahafahana manamboatra toha-drano mba ahatonga ny rano ho ampy tsara amin’ny fambolena izay atao. Ao  ihany koa ny fotodrafitrasa hiarovana ny riaka satria efa mihena hatrany ny tany izay azon’ny olombelona ampiasaina.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT