Actualités

Fiovaovan’ny toetr’andro Hanimba ny vokatra raha tsy hiomanana


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Tombanana ho 2 hatramin’ny 3 taonina isaky ny hektara ny voka-bary eto Madagasikara ary rehefa tsara ny vokatra dia mety mahatratra hatrany amin’ny 5 taonina isaky ny hektara.

 

 

 

 Nihatsara ny voka-barin’i Madagasikara tamin’ity taona 2018 ity raha oharina ny taona 2017. Ho fanohizana hatrany ny ezaka amin’ny vokatra rehetra mihitsy dia mila miomana fatratra ny tantsaha ny amin’ny mety ho fiovaovan’ny toetr’andro. Amin’izany mantsy no mety hisian’ny tsy fahampian’ny orana na mety ho lasa betsaka loatra ihany koa ka mety tsy hahatsara ny vokatra. Tahaka izany ihany koa, mety ho lasa aloha loatra na taraiky ny rotsak’orana ka tsy mahasalama ny fambolena. Izany no antony nanatanterahana ny dinika nasionaly momba ny fambolena maharaka ny fiovaovan’ny toetr’andro, izay tena ilofosan’i Madagasikara ankehitriny. Tsy angano intsony fa efa misy eto amin’ny firenena ity fiovaovan’ny toetr’andro ity kanefa fantatra fa mivelona tanteraka amin’ny fambolena ny ankamaroan’ny Malagasy. Ankoatr’izay dia misy karazana fambolena vaovao sy hafa mihitsy tsy maintsy atao kanefa ilana fijerena haingana amin’izany anefa ny olana ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro. Fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena CARE sy ny tambajotrana manampahaizana momba ny fambolena sy ny tontolo iainana mivondrona ao amin’ny FANRPAN ity dinika natao omaly talata 26 febroary tetsy amin’ny DLC Anosy ity. Ilaina mihitsy ny fampivondronana ny tantsaha mpamboly ny amin’izay mety ho fantatra sy ny fiatrehana izany satria efa misy mihitsy ny toerana sasany any Atsimo tsy ahafahana hanao fambolena intsony noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Zavatra maro no mety ho voakasika amin’io ka tsy tokony hiandriandry intsony ny rehetra. Voalohany  ny vola miditra amin’ny tantsaha izay maro an’isa eto amin’ny firenena. Eo ihany koa ny fiahiana ara-tsakafo, ny filana ara-angovo sy ny filana ara-tany izay mifandray amin’io resaka fiovaovan’ny toetr’andro io. Raha tsy voafehy izany dia tsy hety ny famokarana ary ho akony ratsy amin’ny toekarena.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT