Actualités

Fiovaovan’ny toetr’andro Afaka manalefaka i Madagasikara


  • Alarobia 19 Jona 2019

Nivory omaly tetsy amin’ny Carlton Anosy ireo komity mikambana ao amin’ny CIME izay ivondronan’ny sekretera jeneralin’ireo minisitera hiarovana ny tontolo iainana.

 

 Mifandray avokoa ireo minisitera ary mifanolo-tanana hiady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tanjona ny hanamafisana sy hanalefahana azy ity izay manaratsy ny fambolena sy ny famokarana eto Madagasikara. Efa napetraka ny drafitra nasionalin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro mba tsy ho vahiny amin’izany intsony i Madagasikara izay andraisan’ny mpanapa-kevitra rehetra ao amin’ny governemanta ny andraikiny. Tsiahivina fa ny minisitry ny tontolo iainana no filohan’ireo mpikambana ao amin’ny CIME ary ny praiminisitra no mpiahy azy ireo. Nanambara ny tompon’andraikitra fa na dia marefo aza i Madagasikara amin’io fiovaovan’ny toetr’andro io dia afaka manalefaka izany amin’ny alalan’ny fampidinana ny etona carbone sy ny etona mampiboka hafanana (gaz à effet de serre) sy ny firosoana amin’ny angovo azo havaozina ohatra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT