Namoaka fanambarana mikasika ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eto amintsika ny Ministeran’ny angovo sy ny harena an-kibon’ny tany omaly miaraka amin’ny ofisim-pirenena momba ny solika (OMH).
Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy mitsahatra ny manara-maso ny vidin-tsokila maneran-tany sy ny fivoarany izy ireo ho tombontsoan’ny besinimaro. Adidinay hoy izy ireo ny mampahafantatra amin’ny rehetra ny vidin-tsolika ankehitriny izay misy hifandraisany amin’ny toe-karem-pirenena. Nosinganin’izy ireo manokana tamin’izany ny fiovaovan’ny taham-bidy iraisam-pirenena sy ny sandam-bola Malagasy raha oharina amin’ny dolara Amerikana. Mandritra ity volana oktobra ity ohatra dia nomarihin’izy ireo manokana fa hidina hatrany amin’ny 150 Ar ny iray litatra amin’ny lasantsy izany hoe : raha 3480 Ar teo aloha dia lasa 3630 Ar. Hihena hatrany amin’ny 100 Ar koa ny iray litatra amin’ny solitany izany hoe : raha 2230 Ar teo aloha dia lasa 2130 Ar ankehitriny ary farany ny gazoala izay nahitana fidinany hatrany amin’ny 100 Ar ihany koa izany hoe raha 3010 Ar teo aloha dia lasa 2910 Ar ankehitriny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.