Actualités

Fiovana anaty taratasim-panjakana Efa tamin’ny janoary, hoy ny prefektiora


  • Alakamisy 23 Martsa 2017

Ho fampiharana izay voarakitra ao anatin’ny lalŕna 2014-018 sy 020 ary 021 no anton’ny fiovan’ny filaharan-drafitra any anatin’ireo taratasy eny anivon’ny fokontany ankehitriny,

 hoy ny fanazavan’ireo solontenan’ny prefe manerana ireo faritany eto amin’ny nosy nampiantso mpanao gazety teny amin’ny prefektiora teny Tsimbazaza omaly. Mila avahana amin’izay, hoy izy ireo, ny resaka fanapariaham-pahefana (décentralisation) sy ny atao hoe fitsinjaram-pahefana (déconcentralisation). Rantsana iray ao anatin’ny distrika ny fokontany na dia tsy afa-misaraka amin’ny kaominina aza eo amin’ny resaka fampandrosoana ifotony. Marimaritra iraisana hita farany, hoy izy ireo, dia hapetraka ao anaty taratasy ihany ny famantarana ny kaominina saingy atao eo ankilan’ireo rafitra mifandray mivantana amin’ny minisiteran’ny atitany kosa. Nilaza moa ireto tompon’andraikitra ireto fa tsy vao izao no natomboka izany fanovana izany fa efa natao tao amin’ny distrikan’Antananarivo II, ny fiandohan’ny janoary teo, izany hoe tamin’ity taona ity fa tsy taoriana kelin’ny taona 2014 akory. Mety nitranga teto amin’ny kaominin’Antananarivo ve ny toy izao raha toa ka kandidan’ny HVM no lany teto ?

Mirija

Sary: Rakotobe Michel

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT