Mihamahazo vahana hatrany ny fandefasana vehivavy hiasa an-tsokosoko any ivelany tato ho ato.
Lohalaharana amin’ireny ny any Koweit, firenena arabo iray izay mbola tena tsy azon’ny Malagasy hitadiavana ravin’ahitra tokoa. Vehivavy miisa sivy indray no nampidirina am-ponja vonjimaika omaly. Vokatry ny ezaky ny polisin’ny « Service Central des Enquêtes Spécialisées et de la lutte contre les fraudes documentaires » no angady nananana sy vy nahitana izany ny alatsinainy teo. Raha tsiahivina, teny akaikin’ny birao fanaovana pasipaoro no tratra ny vehivavy iray antsoina hoe : Elia niaraka tamina tovovavy miisa telo hanaovana pasipaoro saika alefa any Koweit. Rehefa nohadihadiana izy ireo dia tratra teny amin’ny 67 ha ny vehivavy iray mpiara-miombon’antoka an-dRamatoa Elia izay monina eny Alakamisy Fenoarivo. Tratra tamin’izany ny tovovavy miisa telo saika haondrana any Koweit ihany koa, niaraka tamin’ny pasipaoro miisa enina an’ireto vehivavy ireto izay iandrasana visa sy tapakila sisa. Nahitana pasipaoro miisa 120 efa lany daty avy nampiasain’ny ankizy efa avy niasa tany Koweit ihany koa tao niampy antontan-taratasy maro toy ny contrat de travail fampianarana teny Anglisy an’ireo ankizy alefa handeha hiasa any Koweit, quittance Western Union miisa telo, flash disque iray nahitana billet sy Visa-n’ny ankizy efa lasa any Koweit miisa enina tamin’ny datin’ny 27 lasa teo… Izy telo vavy ireto no mpandefa ireo ankizy miasa any Koweit ka araka ny filazan’io vehivavy io hatrany dia efa tsy voaisany intsony ny ankizy efa nalefany tany Koweit hatramin’ny nanaovany ity asa ity ary efa nahavitany trano roa ny vola efa azony tamin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.