Actualités

Fiompiana, jono ary fambolena Mpitsidika 30 000 no andrasana amin’ny tsenabe FEPA


  • Sabotsy 23 Febroary 2019

Nampahafantarina omaly zoma 22 febroary tetsy amin’ny MPE Nanisana ny fisian’ilay foara lehibe momba ny fiompiana sy ny jono ary ny fambolena andiany faha-11.

 

 Hotanterahina etsy amin’ny kianja MAKIS Andohatapenaka izany nanomboka ny 30 mey hatramin’ny 2 jona  ho avy izao. Mpitsidika miisa 30 000 no handrasana ary trano eva maherin’ny 200 no ho hita eny hahitana ireo vokatra avy amin’ny mpamokatra samihafa, fitaovana sy kojakoja, zezika sy masomboly, fanafody natokana ho an’ny fambolena sy fiompiana. Hanome lanja tanteraka ny tontolo ambanivohitra izany ary hisy ny fizarana traikefa sy fiofanana maimaimpoana.  Hampiavaka an’ity FEPA faha-11 ity ny hisian’ireo mpampiranty maro avy any ivelany sy ny famelabelarana arahina adi-hevitra mahasika lohahevitra mahaliana maro. Hohezahina amin’ity hetsika ity ihany koa ny fanamorana ny fitsidihan’ny mpianatra izay hita mbola ambany eto amintsika. Mahavelom-bolo ny tantsaha ny hetsika tahaka izao satria tsy vitan’ny mitsidika fotsiny ny olona fa tena maro hatrany ny mandray anjara mividy mihitsy ireo entana amidiny. Ny teny filamatra amin’ity hetsika ity moa dia ny hoe “ Ny fiompiana, ny jono ary fambolena: fototry ny fampandrosoana lovain-jafy an’i Madagasikara”.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT