“Ny alika no namana akaiky indrindra ny olombelona !”. Araka ny antontan’isa dia 350 izao ny razanan’alika voamarina fa misy manerantany ka ny Cotton de Tulear irery no avy eto Madagasikara.
Efa nalain’ny frantsay indray aza ny fikarakarana azy io mba tsy ho simba sy hifangaro amin’ny firazanany hafa. Hikarakara hetsika mahakasika ny “chiens de race” ny 22-24 aprily izao ny «Association des Cynohpiles de Madagascar» (ACYM) ary nanasa vahiny mpitsara manampahaizana iraisam-pirenena, Jean Paul Kerihuel, filoha lefitry ny « Société Centrale Canine de France », mpikambana ao amin’ny « Federation Cynologique Mondiale ». Ny jolay 2002 no nitsangana ny fikambanana ACYM izay efa nikarakara fampirantiana mikasika ny alika nanomboka ny taona 2003. “Clubs de race” dimy kosa no efa mikambana ao amin’ny ACYM. Hanamarika ny fandalovan’i Kerihuel eto ny famelabelarana hataony eny amin’ny DCL Anosy ny zoma 22 aprily amin’ny 4 ora tolakandro ka lohahevitra hoentiny amin’io ny “Améloration des races par la selection et le livre des origines”. Fitiliana ireo karazan’alika misy eto amintsika sy ny fampidirana azy ireny ao anatin’ny bokin’ny firazanana manaraka ny “standard” manerantany kosa no voalahatra ny sabotsy 23 aprily eny amin’ny Zital Ankorondrano. Ny alahady 24 aprily no famoahana ny vokatry ny fizahana ireo alika mahafeno ny fenitra ankoatra ny fampirantiana misokatra ho an’ireo rehetra manana alika misy taratasy fanarahamaso ara-pahasalamana ary fampisehoana fahazaina ataon’ny alika voabaiko. Anisan’ny ho fiaraha-miasan’ny ACYM amin’ireo rafitra iraisam-pirenena ny fanofanana ho an’ny mpitsara sy mpiompy alika marim-pototra ara-pirazanana eto amintsika.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.