Arahabaina isika malagasy nahavita ny asaramanitra ary mbola miondrika eo anatrehan’ireo vahoaka nidonam-pahoriana, hoy ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM, Gerard Ramamimampionona.
Fifangaroana alahelo sy hafaliana ny fiainana. Eo koa ankehitriny ny resaka ady baolina kitra na CAN izay iarahabana antsika malagasy tsy an-kanavaka, hoy hatrany ny tenany. Niezinezina ny fandresena azo farany ary samy mirary ny rehetra fa mbola hiakatra amin’ny ambonimbony kokoa iny. Mahazo fifaliana amin’ireny na tsy mpijery baolina aza ary hita taratra fa misy hambopom-pirenena ao amin’ny tsirairay. Eo koa ny herim-po. Na ny mpilalao na mpijery na mpitondra am-bavaka dia samy niray saina tamin’iny. Izany hoe azo notsoahana tamin’ireny fa afaka miombom-po ny Malagasy. Aty amin’ny baolina izy iny izao hitantsika fa mety ka tokony hampiharina amin’ny fiainana andavanandro, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.