Ramandimbitahiana Rado izao no filoha vaovaon’ny FIMPIMA (Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy) Sampana Ambohitrimanjaka atsimon’Ikopa
Nanao ny fianianany tao amin’ny Akany Lapa mozika Ambohitrimanjaka izy ary efa-taona no faharetan’ny fotoam-piasany. “Andeha isika hifanolo-tanana sy hifanome soa ho amin’ny tsara kokoa” no anisan’ny filamatra ho an’ny tovolahy. Tsy nijanona ho kabary ihany izany fa taratra sahady tamin’ny fanatontosana ny lanonana. Ny fiaraha-miasa teo amin’ny tompon’andraikitry ny Akany Lapa mozika izay ivontoerana tsy mitsahatra ny manabe voho ny maha Malagasy sy ny FIMPIMA sampana Ambohitrimanjaka tokoa mantsy no nahafahana nanatontosa ny hetsika. Nandritra ity fianianana ity ihany koa no namoahana azy 18 mianadahy mpikabary “Andia Joba Rakotojaona”. Anisan’ny mampiavaka ity sampana ity ny fananany ny fampianarana ny dihy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.