Raikitra indray ny Foire Internationale de Madagascar (FIM) andiany faha-11. Hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 22 Mey ho avy izao indray mantsy izany, eny amin’ny Parc des expositions Forello Tanjombato karakarain’ny agence de la premiere ligne.
Hampiavaka ity andiany iray ity raha araka ny fanazavan-dRamiaramanana Dominique tompon’andraikitra voalohany no sady vy nahitana ity foara ity ny fampahafantarana ireo karazan-javatra rehetra misy eto amintsika sy azo trandrahana hiarahana amin’ireo mpandraharaha avy any ivelany. Anisan’ireny ireo mpandraharaha avy atsy amin’ny Nosy rahavavy Maurice raha ny Nosy rahavavy La Réunion no nahazo tombony manokana tamin’izany tamin’ny andiany faha-10. Tanjona ny mba hahafahana mampiakatra hatrany ny toekarem-pirenena ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Hisy ihany koa moa ny fahatongavan’ireo mpandraharaha vahiny avy any Dubai sy Turquie eto amintsika mandritra io efatra andro io. An’aliny ireo mpitsidika andrasana ho avy hanatrika raha mihoatra ny 12.000 km2 kosa ny toerana hanaovana ny foara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.