Actualités

FIM 2019 Handray anjara voalohany ny Belza


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Nanomboka ny alatsinainy 20 mey teo ary hifarana amin’ny sabotsy 25 mey ho avy izao ny fitsidihana ara-toekarena ataon’ireo solontenan’ny orinasa avy any Belgique.

 

Tany amin’ny Nosy La Réunion, Maorisy ary eto Madagasikara no nofidian’izy ireo hanatsarana ny sehatra fanondranana. Nisy ny fihaonana mivantana tamin’ireo mpandraharaha eto Madagasikara omaly tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina izay ny AWEX (Agence Wallone à l’Exportation et aux Investissements Etrangers) miaraka amin’ny Fivondronan’ny Orinasa eto Madagasikara (GEM) ary ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria Antananarivo no tompon’antoka. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa maharitra amin’ireo orinasa avy any Belzika sy ny eto an-toerana, indrindra ny amin’ny sehatra fandraharahana. Samy hijery ny tsena azo trandrahana ihany koa ny roa tonta satria handray anjara mavitrika amin’ny FIM 2019 mihitsy ny Belza. Vao sambany izany ary entina hanatsarana ny fifandraisana ara-barotra amin’ny firenena roa tonta.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT