Notafihan’ny andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana ny tanàna niavian’ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasika na ny SMM, Atoa Clément Jaona.
Tao amin’ny vakim-paritra Maroaboaly, fokontany Mariarano, kaominina Ankorahotra, distrikan’Ambatoboeny, faritra Boeny no nitrangan’ny fanafihana, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia lasa teo. Omby manodidina ny 50 isa misy marika avokoa no voaroban’ireto andian-dahalo ireto. Voalaza, fa niditra an-keriny tao an-tanàna ireo malaso miisa enina, sady nanapoaka basy, nentina nampitahorana ny mponina tao an-toerana, mba tsy hivoaka sy tsy hanara-dia. Tsy ny ombin’io filohan’ny Smm io ihany no lasibatra tamin’izany, hoy ny fanazavana voaray, fa nisy tamin’ireo tokantrano vitsivitsy koa no very omby aman’osy tamin’io izay tsy fantatra isa. Tsara homarihana fa maty nisy namono nandritra fanafihana malaso ny 16 mey 2018 ny zandrin’ny filohan’ny Smm ary velon’ahiahy ny fianakaviany fa misy mihitsy ny atidoha mikotrika ny fampihorohoroana sy fisomparana azy ireo. Efa mandeha moa amin’izao fotoana ny fanadihadiana mba hikarohana ny marina rehetra.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.