Anisan’ny raharaha mitana ny sain’ny maro eto amin’ny firenena indray tato ho ato ny fanomezana toerana ny mpanohitra eo anivon’ireo andrim-panjakana roa mijoro, indrindra taorian’ny nanambaran’ny filohan’ny antoko Malagasy Miara Miainga ny maha mpanohitra azy ireo.
Hatramin’izao anefa dia tsy nisy ny fandaniana ny lalàna mampihatra azy io izay takian’ny antoko politika maro ny tokony hanaovana azy. Ho an’ny antoko Tanora Malagasy Miroso manokana tarihin’ny filoha nasionaliny Samihary Floriot dia ilaina ny fanomezana toerana ny mpanohitra eto amin’ny firenena hahafahana mametraka ny tena demokrasia marina sy manitsy ny tsy mety entina hanatsarana zavatra. Tsy lasan-ko vavany fotsiny anefa izany ho azy fa narahiny asa ka nisy avy hatrany ny fametrahany ny antontan-taratasiny teny anivon’ny minisiteran’ny atitany hahafahany mifaninana ho lehiben’ny mpanohitra ny faran’ny herinandro teo. Iza no hitaba ny amboara ? Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha. Tsiahivina fa miisa 20 ankehitriny ireo antoko mpanohitra ara-dalàna voasoratra anarana eo anivon’ny minisiteran’ny atitany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.