Actualités

Filohan’ny SMM Nisava ny efitranon’i Claudine R


  • Alarobia 17 Mey 2017

Nidina nanao fanamarinana teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha amin’ny maha mbola eny an-toerana na tsia an-dRazaimamonjy ny Filohan'ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM), Faniry Ernaivo omaly.

 

Efa afak’omaly 15 mey no nahazoany ny fahazoan-dalana mitondra ny laharana 354AJ/17, avy amin’ny Tonian’ny fampanoavana ambony hanao ny iraka, saingy noraran’ny teo anivon’ny hopitaly ny fidirany teny an-toerana ka omaly tamin’ny 11ora sy 20 mn vao tanteraka. Tsy navela niditra nanamarina ny zava-nisy kosa ny mpanao gazety fa ny avy amin’ny mpitsara ihany no nijery an’i Claudine Razaimamonjy. Rehefa nivoaka avy tao amin’ny efitrano 126 ny filohan’ny SMM, dia nilaza fa ao tokoa i Claudine Razaimamonjy. Nosaronana ny tarehiny saingy nitaky ny hanokafana azy ny avy amin’ny fampanoavana, araka ny fanambaran’i Fanirisoa Ernaivo hatrany. Nanamafy ny filohan’ny SMM taorian’ny fananamarinana fa mitohy ny asan’ny fitsarana. Raha ny hita tamin’ny kahie firaiketana ireo mpamangy dia tonga tao an-toerana namangy ny loholona Riana Andriamandavy VII sy ny Ben’ny tanànan’Ambohimahamasina afak’omaly hariva. Marihina fa mpandraharaha ny fonja miisa 2 no miambina ny varavarana 126 misy an’ity mpandraharaha sady mpanolotsain’ny filoha voarohirohy tamin’ny kolikoly ity. Mahagaga ihany ny antony tsy namelana ny avy amin’ny SMM nitsidika tao, nefa ny hafa navela.

Tsy hahazo fahafahana vonjimaika

Nametraka fangatahana ny hanomezana fahafahana vonjimaika an’i Claudine Razaimamonjy ny mpisolovava azy afak’omaly. Nitondra ny heviny ny mpisolovava Willy Razafinjatovo. Nambarany fa eo imason’ny lalàna dia afaka mangataka fahafahana vonjimaika ny olon-drehetra voatazona am-ponja saingy tsy azo homena raha tsy vita ny fakana am-bavany sy fanadihadiana lalina na ny “Enquête au fond”, izay tsy mbola nisy. Raha ny lalàna dia miditra am-ponja 2 na 3 volana vao miditra amin’ny fakana am-bavany sy fanadihadiana lalina. Tsy mahazo fahafahana vonjimaika ny olona tsy nanaovana fanadihadiana lalina. Tsy fantatra anefa izay hataon’ny fitsarana. Hisy fepetra na fitsarana manokana ve amin’ity raharaha ity ? Izaho dia milaza fa ny SMM dia tsy manaiky intsony ny fitanilana amin’ny fitsarana, indrindra ny fanaovana tsinontsinona ny sasany fa ny hafa hasoavina, hoy ity mpisolovava ity.  Mahatoky sy midera ary mankasitraka ny ataon’ny SMM ny tenako, hoy izy.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT