Nolavin’ny Fitsarana ny hanomezana fahafahana vonjimaika (LP) ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina
. Naverina eny amin’ny fonjan’Antanimora nitazonana azy indray izy omaly taorian’ny nandinihin’ny fitsarana ny fangatahany. Fisandohana andraikitra tamin’ny namindrana ireo olona nonina tamin’ny trano hazo tetsy Andrefanambohijanahary nafindra etsy Namontana, no vesatra anenjehana azy. Amin’ny 20 septambra no hotsaraina ny antotan-taratasin’ady. Tonga maro tetsy amin’ny fitsarana Anosy ireo mpikambana HAFARI Malagasy omaly alatsinainy nampahery ny filohany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.