Actualités

Filohan’ny HAFARI Malagasy Nisy nanapoizina


  • Zoma 14 Oktobra 2016

Nisy nanatitra sakafo misy poizina tany am-ponja ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Ny zoma hariva teo no nitrangan’izany raha araka ny loharanom-baovao voaray. Nisy nanatitra sakafo izy niaraka tamina karne iray . Tsy fantatra mazava anefa izay olona nanatitra io sakafo io ary tsy nisy hafatra ihany koa tao anatin’ilay karne izay tsy hita tompo. Amin’ny ankapobeny anefa dia misy hatrany ny olona mampilaza mialoha an-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa ho avy hanatitra sakafo ho azy. Vokany, tsy sahy nihinana io sakafo io ny filohan’ny HAFARI noho ny tsy fisian’izay filazana mialoha izay. Na izany aza tsy nariany ilay sakafo fa najanony tao am-ponja nandritra iny alina iny toy ny akondro sy bipasy ary yao. Ny nahavariana raha araka ny vaovao azo hatrany dia maty avokoa izay lalitra sy kadradradraka nihinana ireo sakafo ireo. Voatery nandray fepetra ireo fianakaviany araka izany ka nitondra ny sakafo mba hatao fitiliana teny amin’ny Institut Pasteur Aradoha. Toraka izany koa ny teny amin’ny toeran-kafa saingy tsy misy misahana resaka fitiliana sakafo misy poizina izy ireo. Ankehitriny mitohy hatreny amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha sy eny Befelatanana ny fangatahana ny mba hahafahana mitily ireo sakafo naterin’olon-tsy fantatra ho an’ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy ireo. Marihina moa fa tena tsy salama ny filohan’ny HAFARI Malagasy amin’izao fotoana izao. Manampy trotraka izany ny fahatongavan’ilay menaky ny ainy tety an-tany tsy natrehin’ny masony. Efa navoakan’ny dokoteran’ny fomja mba hitsabo tena ihany izy saingy mbola olana ny resaka vola.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT