Actualités

Filohan’ny HAFARI Malagasy Naverina eny am-ponja indray


  • Alarobia 05 Oktobra 2016

Ny 18 Aogositra lasa teo no nampidirina am-ponja vonjy maika ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Ilay raharaha famindrana ireo mponina nonina tamin’ny trano hazo tetsy Andrefanambohijanahary nafindra  tamin’ny trano biriky etsy Namontana raha tsiahivina no nanenjehana azy  ho mpisandoka andraikitra. In-droa nangataka fahafahana vonjy maika izy nandritra izany saingy tsy neken’ny Fitsarana. Na izany aza anefa nivoaka omaly talata 04 oktobra ny didim-pitsarana ka afaka noho ny fisalasalana izy. Tsy mbola mijanona eo anefa ny raharaha. Mbola manefa ny fampidirina am-ponja azy vonjy maika na ilay « Manda de dépôt » faharoa  azony tamin’ilay  raharaha « sequestration » nitoriana Renim-pianakaviana iray azy indray mantsy ny lehilahy efa ho tapa-bolana izao ka ny 12 oktobra ho avy izao vao handeha ny fanadihadiana lalina mikasika ny raharaha raha ny 18 oktobra  kosa no hivoaka ny didy. Tsy kivy Rafanomezantsoa Jean Nirina na dia izany aza. Mahatoky ny fahendren’ny Fitsarana ny tenany ary miantso ny Malagasy rehetra mba hahay hifankatia sy ho tia ny tanindrazany hahafahana mampandroso ny firenena.

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT