Actualités

Filohan’ny HAFARI Malagasy Nanao famelabelaran-kevitra teny Ankatso


  • Alakamisy 18 Aogositra 2016

Voaasa fanindroany teny amin’ny anjerimanontolo nanazava ny raharaham-pirenena misy ankehitriny sy ny resaka fandalŕna ny demokrasia ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina afaka omaly Talata.

Ireo mpianatra ao amin’ny taona fahatelo manaraka ny lalam-piofanana mpahay fiarahamonina no nanasa azy tamin’izany raha ireo mpianatra tao amin’ny taona voalohany no nisantatra izany roa volana lasa izay. Anisan’ny nangatahin’ny mpianatra fanazavana taminy  ny antony mahamety na tsia ny fanonganam-panjakana izay tena resabe mandeha ankehitriny tokoa ka nambarany fa tokony hotandrovina hatrany ny fifandimbiasam-pahefana  ara-demokratika ho tombontsoan’ny vahoaka. Fitadiavan-tseza avokoa, hoy izy no tena mahafatifaty ireo mpanao politika sasany  izay nomarihiny manokana fa efa saika teo avokoa ny ankamaroany. Nohazavainy manokana ihany koa ny resaka demokrasia. Nambarany fa tena misy tokoa  izany eto amintsika satria tsy mbola nisy olona nigadra hatreto fa afaka naneho ny heviny avokoa, eny fa na dia ireo nitaky ny fialan’ny filoham-pirenena aza. Vahaolana narosony ny fampandraisana andraikitra ny tanora, indrindra fa ny mpianatra vao misondrotra hahafahana mitondra fanovana  eto amin’ny firenena.

Omaly alarobia 17 aogositra kosa dia nampiantso ny mpikambana Hafari nanao fivoriambe teny Anosizato ny tenany mba nentina nanazavana tamin’ny rehetra ny zava-misy marina eo amin’ny fitantanana ity fikambanana ity sy ny fanenjehana samihafa mihatra aminy ka nilazany fa tamin’ireo fitoriana 16 mihatra amin’ny Hafari dia fitoriana matoatoa avokoa ny 11 tamin’izy ireo satria anaran’ilona noforonina ireo mpitory. Raha ny marina dia izaho,Jean Nirina, no azo henjehana sy hanaovana toetra tsy zaka fa ny Hafari Malagasy tsy ho faty izany velively intsony fa efa ho lovan-taranaka. Mikasika ny savorovoro misy ankehitriny dia nohamafisiny tamin’ireo mpikambana fa tsy mety intsony izany midina an-dalambe izany fa mandetika ny firenena. Nisy koa fanolora « Titre » tany sy trano hoan’ireo fianakaviana 93 teny Ankadimbahoaka nifindra etsy Namontana omaly.

Pati/Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT