Actualités

Filohan’ny HAFARI Malagasy Nanao famelabelaran-kevitra teny Ankatso


  • Alarobia 17 Aogositra 2016

Voaasa fanindroany teny amin’ny anjerimanontolo nanazava ny raharaham-pirenena misy ankehitriny sy ny resaka fandalŕna ny demokrasia ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly.

Ireo mpianatra ao amin’ny taona fahatelo manaraka ny lalam-piofanana mpahay fiarahamonina no nanasa azy tamin’izany raha ireo mpianatra tao amin’ny taona voalohany no nisantatra izany roa volana lasa izay. Anisan’ny nangatahin’ny mpianatra fanazavana taminy  ny antony mahamety na tsia ny fanonganam-panjakana izay tena resabe mandeha ankehitriny tokoa ka nambarany fa tokony hotandrovina hatrany ny fifandimbiasam-pahefana  ara-demokratika ho tombontsoan’ny vahoaka. Fitadiavan-tseza avokoa, hoy izy no tena mahafatifaty ireo mpanao politika sasany  izay nomarihiny manokana fa efa saika teo avokoa ny ankamaroany. Nohazavainy manokana ihany koa ny resaka demokrasia. Nambarany fa tena misy tokoa  izany eto amintsika satria tsy mbola nisy olona nigadra hatreto fa afaka naneho ny heviny avokoa, eny fa na dia ireo nitaky ny fialan’ny filoham-pirenena aza. Vahaolana narosony ny fampandraisana andraikitra ny tanora, indrindra fa ny mpianatra vao misondrotra hahafahana mitondra fanovana  eto amin’ny firenena.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT