Marary mafy ao amin’ny fonjaben’Antanimora amin’izao fotoana izao ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.
Marary mafy ao amin’ny fonjaben’Antanimora amin’izao fotoana izao ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Raha ny fantatra dia efa nafindra ao amin’ny infirmerie ny tenany mba harahi-maso akaiky vokatry ny hasemporana mahazo azy. Efa mikarakara taratasy hahazoany mitsabo tena ety ivelany izy amin’izao fotoana izao mba hahazoan’ireo mpitsabo manokana manara-maso ny toe-pahasalamany. Nahazoany “certificat médical” avy amin’ny mpitsabo ao amin’ny fonjan’Antanimora io tsy fahasalamana mihatra amin’ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy io. Manoloana izany dia mitaky ny fanajana ny zon’olombelona, indrindra fa ny zon’ny voafonja ireo mpikambana eo anivon’ny HAFARI Malagasy. Ho an’ilay raharaha fitanan’olona an-keriny niakarany fitsarana ny talata teo dia fantatra fa nahemotra amin’ny fotoana manaraka izany satria tsy nipoitra ny mpitory. Tsiahivina fa efa be dia be ny didim-pitsarana nivoaka momba ity filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy ity. Saika nahazony fahafahana noho ny fisalasalana avokoa ny ankamaroany, ankoatra ireo fanenjehana maro samihafa izay efa natsahatry ny Fitsarana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.