“Marary mafy any am-ponja” ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.
Taorian’ny nandavan’ny Fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ireo mpisolovava azy ny alatsinainy 29 aogositra teo, no niteraka izany, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviany. Hatramin’ny omaly dia fantatra fa “nihareraka izy”, ny vady andefimandriny amin’io miandry vohoka efa ho teraka. Velon’ahiahy mafy noho izany ireo mpikambana ao amin’ny HAFARI miaraka amin’ireo mpisolovava azy. Amin’ny 20 septambra, afaka 21 andro anefa vao hiverina indray ny fandraisan’ny fitsarana an-tanana ny taratasin’adiny. Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ny zo maha olona ireo mpikambana HAFARI. Raha araka ny loharanom-baovao hatrany moa, voafonja iray no namoy ny ainy tao Antanimora io alatsinainy 29 aogositra io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.