Vita ny faran’ny herinandro teo ny fakana am-bavany mikasika ireo karazana raharaha nitoriana ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.
Anisan’izany ireo napetraka teo anivon’ny SUT Tsaralalana niampy ny teny amin’ny polisin’ny Boriborintany voalohany sy fahadimy. Tsy latsa-danja amin’ireo ihany koa anefa ny fitoriana napetraky ny fikambanana tamin’ireo karazan’olona nanao zavatra tsy am-piheverana izay ananany porofo. Anisany ireo olona tsy misy nefa natao misy ka nametrahany fitoriana. Sady mpitory ny fikambanana no toriana, araka izany. Nambaran-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy amin’ny anarany manokana no hitoriana azy fa amin’ny maha filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy azy, fikambanana izay manana ny satany ara-dalàna sady miasa manasoa ny vahoaka ihany koa. Anio alatsinainy maraina no hiatrika ny fampanoavana ny tenany izay nilaza sy nanambara fa mahatoky ny fahendren’ireo mpitsara handray an-tanana ny raharaha. Tany tan-dalàna isika ary tsy vitsy ireo mpitsara no efa nahafantatra ireny karazana “tsindry bokotra” ireny. Noho izany izy ireo no tompon’ny teny farany. Vonona ny tenako hiatrika ny fampanoavana ary handray am-pitiavana izay vokany eo ihany koa, hoy izy. Nomarihiny manokana fa niharan’ny tsindry hazo lena sy ny kely tsy mba mamindro ny fikambanana tarihiny na dia anisan’ny asa ilofosany mafy eto amin’ny firenena aza izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.