Hiakatra fitsarana anio alatsinainy 29 septambra ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina,
taorian’ny herinandro katroka nampidirana am-ponja azy. Fitsarana momba ny fangatahana fahafahana vonjimaika azy no hatao amin’izany. Milaza ho avy maro hanatrika ity fitsarana ity ny mpikambana, izay mahatsiaro ho kamboty tokoa, indrindra fa ireo zokiolona an’arivony tsy misy mpiahy manerana ny Nosy tamin’ny nampidirana am-ponja an’ity « mpanao asa soa sy miaro ny madinika » ity, araka ny filazan’izy ireo. Nalahelo tamin’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana ihany koa izy ireo koa mangataka ny hamoahana tsy misy fepetra ny filohany ho fitsinjovana ny madinika. Toraka izany ihany koa ireo mpilalao rugby eny amin’ny faritra iva. Nambaran-dRandriarimanana Armand, nisolotena azy ireo fa tokony handinika akaiky iny raharaha iny ny fitondram-panjakana. Takian’izy ireo ihany koa ny hampitsaharana ny fanaparam-pahefana sy ny tsindry hazo lena atao amin’ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy. Fitsarana madio, mangarahara ary tsy mitanila, manaja ny fahamarinana no , hoy izy ireo. Fikambanana mpanao Rugby miisa 14 moa izy ireo no nanao io fanambarana io ny sabotsy teo tetsy Anosizato, msy ny birao foiben’ny fikambanana. Re fa salama tsara Rafanomezantsoa Jean Nirina ary mitohy hatrany am-ponja ny asa sosialy sahaniny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.