Actualités

Filoha nasionalin’ny HAFARI Hiakatra fampanoavana fanindroany anio


  • Alatsinainy 19 Septambra 2016

Raha rahampitso talata 20 septambra no tokony hiakatra fitsarana ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy noho ny resaka fisandohana andraikitra nampidirana am-ponja azy vonjimaika nandritra ny iray volana latsaka dia fantatra fa hiakatra fampanoavana anio alatsinainy 19 septambra indray ny tenany noho ilay raharaha “sequestration” nitoriana renim-pianakaviana iray azy.

 

 Tao anatin’ny alahelo tanteraka no nandrenesan-dRafanomezantsoa Jean Nirina ny vaovao raha mba efa nanantena ny tenany fa rahampitso talata no hiatrika ny fitsarana azy tamin’ilay raharaha iray voalohany. Mahatsiaro ho very fanahy mbola velona ny filohan’ny HAFARI Malagasy  manoloana izany. Mahatoky ny fahendren’ny  fitsarana mahefa  eto amintsika izy. Ho an’ireo mpikambana kosa dia manao antso avo ny amin’ny mba hampitsaharana ny fanenjehana ny filoha nasionaliny izy ireo satria tsaroany efa tena betsaka loatra izay zava-nitranga nanomboka ny 18 aogositra no mankaty izay.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT