Fanambarana niraisana, natao an-tsoratra ary nosoniavin’ny tsirairay no namaranana ny andiany fahatelo amin’ny fihaonan’ireo filoha dimy nifandimby nitondra an’i Madagasikara notarihin’ny FFKM teny amin’ny CCI Ivato omaly tontolo andro, nandinihana indrindra ny valin’ireo fanontaniana niisa 33 handrafetana ny fototry ny fampihavanam-pirenena. Samy niaiky ny amiraly Didier Ratsiraka, Pr Zafy Albert, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina ary Hery
Rajaonarimampianina fa «tompon’andraikitra tamin’ny zavatra niseho teto amin’ny firenena, ao ny nety ao ny tsy nety, ka niteraka ratra». Eo anatrehan’izany dia nilaza izy ireo fa «vonona hijoro ho modely amin’ny Fampihavanana ary hifanome tanana ho amin’ny fitoniana maharitra mba hirosoana ho amin’ny fampandrosoana. Miantso ny vahoaka ihany koa ho amin’izany». Nifanarahan’izy dimy fa hisokatra amin’ny fampandraisana anjara ny vahoaka avy amin’ny faritra samihafa ny dinika manaraka ary hofaritana tsy ho ela ny daty hanaovana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.