Actualités

Filankevitry ny tanànan’Antananarivo Fanapahan-kevitra maro no horaisina anio


  • Zoma 05 Aprily 2019

Ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Filankevitry ny tanànan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) nanomboka ny alarobia teo, etsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely.

 Lahadinika maro no iadian-kevitra sy handraisana fanapahan-kevitra mandritra ny 3 andro. Hifarana anio ny fandaniana azy na tsia. Anisan’izany ny mahakasika ny fandrindram-piainam-pianakaviana na “planning familial” hiarahana amin’ireo  mpiara-miombonantoka. Ny momba ny fifamoivoizana hifehezana ireo mpitondra “moto scooter”. Ny fanitsiana ny antsoina hoe “Plan d’urbanisme de detail” na ny drafitra antsipirihany momba ny tanàn-dehibe. Ny fanitarana ireo toerana fametrahana dokambarotra “Panneau Publicitaire”, izay hatsaraina ary hatao manome endrika ny tanàna. Fandinihana ny momba ny AUGA (Agence d'Urbanisme de la Gestion d'Antanananarivo) na sampandraharahan’ny tanàn-dehibe ho an’ny tanànan’Antananarivo. Fametrahana tsangambato na “Stèle” izay  efa nanaovana fitiliana ara-teknika ny  toerana hametrahana azy, ny fanomezan-dalana ireo lalana ahafahana mifamoivoy, ny fametrahana dokambarotra amin’ireo fiarakaretsaka ary hofaranana  amin’ny fandinihana manokana ny mahakasika ny famarotana ny tanim-pajakana izay nahabe resaka, araka ny fangatahan’ireo mpanolotsaina sasany ny tokony handinihana manokana an’io ka anio zoma famaranana no hanatanterahana izany.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT