Actualités

Filankevitry ny minisitra Nisafoaka i Pierre Houlder, nandao ny fivoriana


  • Zoma 07 Desambra 2018

Tsy mbola fahita firy fa hafa noho ny hafa ny filankevitry ny minisitra notanterahana teny Ambohitsorohitra ny alarobia 5 desambra tolakandro teo.

 

 

 

 

 Nanao fanamarihana sy  fanakianana momba ilay fivoriana momba ny filaminana sy fandriampahalemana nokarakarain’ny kandida laharana faha-13 teny amin’ny CCI Ivato ka nampirantirantiana fitaovam-piadiana sy nanaovana teratany vahiny famelabelaran-kevitra ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao. Nafana ny adihevitra ary minisitra vitsivitsy izay efa fantatra ihany ny firehana politikany no somary nampiaka-peo sy niaro io hetsika io. Nisy avy eo ny minisitra iray nisafoaka ary nivoaka ny trano sy nandao ny fivoriana mihitsy fa hoe tsy nohajaina, hono ny fe-potoana tokony ho nitenenany. Niezaka nandamina ny praiminisitra Ntsay Christian, raha araka ny fampitam-baovao ofisialy saingy tsy nanaiky mihitsy io minisitra io fa lasa ihany. Nanazava ny filoham-panjakana fa saropady ny fiarovana sy fandriampahalena mahakasika ny ain-dehibe sy ny fiandrianan’ny firenena ka  mila fitandremana ny firesahana azy, indrindra fa ao anatina vanim-potoan’ny fifidianana. Ankoatra izay dia mbola teratany vahiny no miresaka mahakasika ny fiarovana ny firenena Malagasy. Ny alakamisy 29 novambra lasa teo no nanaovana ity hetsika teny amin’ny CCI Ivato ity ka nitarika izany i AndryRajoelina. Atoa Pierre Houlder minisitry ny asam-panjakana, ny fanavaozana ny raharaham-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy ilay tsy nahatsindry fo ka nandao ny fivoriana araka ny fanamarinam-baovao natao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT