Actualités

Filankevitra monisipaly Antananarivo Miatrika fivoriana ara-potoana


  • Alarobia 09 Novambra 2016

Notanterahina nanomboka omaly talata 8 novambra haharitra telo andro ny fivoriana ara-potoanan'ny filankevitra monisipaly eo anivon’ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra.

Taorian'ny fivorian'ny « Conférence des Présidents » ny zoma lasa teo dia natolotra teo anoloan'ny fivoriana omaly ny lahadinika hotanterahana sy ny fandaharam-potoana. Feno tanteraka  ny fetran’isa hahafahana manatanteraka ny fivoriana ka niroso avy hatrany  tamin'ny fankatoavana ny fandaharam-potoana ny mpanolotsain'ny tanàna. Ho an’ny omaly talata, ohatra, dia   ny fifanakalozan-kevitra no notanterahina. Ny asan’ny vaomiera kosa no hanompanana ny asa anio alarobia ary rahampitso alakamisy vao hirosoana ny déliberation. Hodinihina mandritra izany  ny momba ny tetibola 2017, eo ihany koa ny mahakasika ny fasana eny Anjanahary, ny fangatahana alalana samihafa izay mbola mandalo fankatoavana, ny mahakasika ny toeram-piantsoanana eto an-drenivohitra…Hodinihana ihany koa ny toerana tantanin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny mikasika ny Esplanade etsy Analakely ary ny momba ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Ankoatra ireo voalaza ireo dia hojerena ihany koa ny hevitra hahafahana mampandroso ny tanànan’Antananarivo. Nitarika ny fivoriana ny Filohan'ny Mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo, Andriambahoaka Jean Faustin.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT