Actualités

Filankevitra ambonin’ny mpitsara Andriamihangy Georges Florence no solontenan’i Toamasina


  • Alakamisy 13 Novambra 2014

Tahaka ny mpitsara rehetra manerana ny nosy, dia anisan’ny nifidy ny solontenany eo anivon’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) ireo mpitsara ao anatin’ny fiadidian’ny fitsarana ambony Toamasina sy ny teo anivon’ny fitsarana momba ny ara-bola (tribunal financier) ary ny fitsarana amin’ny ady atao amin’ny fanjakana (tribunal administratif).

Ireto roa farany dia solontena iray manerana ny nosy ny azy ireo. Raha ny vokatra tsy ofisialy dia Atoa Andriamihangy Georges Florence, mpampanoa lalàna ambony ny fitsarana ambony no nahazo ny vato be indrindra tamin’ny isam-bato 45 (63,38% vato manan-kery) tamin’ireo mpifidy niisa 71. Atoa Andriamihangy Georges Florence izany no solontenan’ny mpitsara ao Toamasina eo anivon’ny CSM. Laharana faha-2 izay mpifaninana taminy nahazo isa 14 Atoa Rasamitiana Tang Ladislas mpampanoa lalàna lefitra ny fitsarana ambony, laharana faha-3 kosa nahazo isa 06 Atoa Tatafraky Benjamin zokiolon’ny mpitsara mpanao famotoran’ny fitsarana ambaratonga voalohany ary faha-4 Rtoa Pika Judith Anita nahazo isa 06 izay filoha lefitry ny fitsarana ambaratonga voalohany. Ankoatra izay, Atoa Raveloson Aimé Gilbert izay filohan’ny fitsarana ara-bolam-panjakana Toamasina no lany manerana ny nosy, misolo toerana ireo mpitsara eo anivon’ity sampam-pitsarana ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT