Mahagaga ary tsy nampoizin’ny rehetra ny fanovana tampoka tamin’ny fitantanana ny orinasam-panjakana Jirama satria nisy mpitantana maromaro nesorina tamin’ny toerany nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 28 novambra lasa teo.
Nisy ampahany foana ny didim-panjakana 2017-049 tamin’ny 19 janoary 2017, fanendrena tompon’andraikitra ambony ao anatin’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama. Raha hiverenana ny tantara dia nesorina tamin’ny toerany tamin’io 19 janoary 2017 io ny filohan’ny filankevi-pitantanana tamin’izany Rachidy Mohamed ary nosoloina manontolo ihany koa ny filankevi-pitantanana ka 12 mianadahy no mpikambana. Ankehitriny anefa, dia nisy ny fanovana, ka voatendry hisolotena ny Primatiora i M. Ramarolahy Christian, Jaosolo Gelase no misolotena ny minisiteran’ny toekarena sy ny planina, Randrianarison Valéry Leroy no solontenan’ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Rakotomanga Soloalitiana no avy amin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, Andriantahina Tsiry no avy amin’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo, Raselison Julien Mamiarivao no avy amin’ny minisiteran’ny rano, ary Rabialahy Jean Rostand dia notendrena noho ny fahaiza-manaony manokana. Amin’izao fotoana izao moa dia marihina fa misy ny fitarainan’ny vahoaka momba ny vidin-jiro, izay tsy misy ny fijerena ny « relevé » fa manome faktiora avy hatrany. Tsy mijery ny marika ao amin’ny « compteur » fa tonga dia mizara faktiora ary rehefa anontaniana dia hoe tena mbola misy fanamboarana be ao amin’ny jirama ao. Dia ahoana indray izany amin'ny iray volana ho avy satria efa tsy misy «repère » ny fandaniana fa ataon-dry zareo salan’isa fotsiny ny fandaniana jiro sy rano ? Andrasana ny fanazavana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.