Notontosaina tetsy amin’ny Motel Anosy omaly ny atrikasa fandinihana manokana ny fihodin’ny tribonaly misahana ny ady heloka (tribunal administrative) sy ny filankevi-panjakana (conseil d’Etat) eto amintsika.
Anisan’ny niteraka resabe tato ho ato ny fanapahan-kevitra noraisin’ireto rafitra 2 ireto, antony nandraisan-dry zareo avy eo anivon’ny fikambanam-pirenena ho an’ny marina eo amin’ny lafiny ara-pitantanana na “association nationale pour la justice administrative” andraikitra hanatanterahana atrikasa manokana momba izany. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny tribonaly administrativa eto Antananarivo, Tianjanahary Andriamalala, dia nisy ny rijanteny efa nokasaina asiam-panovana manokana napetraka ny taona 2001 momba izay resaka tribonaly administrativa izay. Nasiam-panovana manokana izany satria tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro intsony ary misy ihany koa zavatra tsy ampy rehefa atao ny fampiharana. Ohatra amin’izany ny hoe aparitaka isaky ny faritra ity rafitra voalaza farany ity fa tsy hijanona amina faritra tokana intsony. Mbola anaty adihevitra moa, hoy izy, hatreto fa tsy nisy hevitra tapaka. Misokajy telo moa ireo mpiantsehatra amin’ity atrikasa izay hifarana anio ity dia ireo mpahay lalàna eo anivon’ny tribonaly adimistrativa manerana ny faritany 6, ireo mpitsara rehetra avy amin’ny filankevi-panjakana ary ireo mpitsara eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.