Actualités

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto


  • Talata 25 Jona 2019

Higadona eto Antananarivo anio talata 25 jona ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame, izay vahiny manokana sy manan-kaja amin’ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.

 

Hisy ny fandalovana amina toerana maromaro iarahany amin’ny Filohan’ny Repoblika ny marainan’ny 26 jona mialoha ny hiatrehany ny lanonana eny Mahamasina. Namboarina ny lalana holalovany, nolokoin’ny fanjakana ny trano 300 eo ho eo manamorona ny arabe, hita eny amin’ny arabe ny sariny sy ny sainam-pireneny,… Tonga amin’ilay hira isika hoe : “fafafafao ny tokotany fa hitsena vahiny”. Hahita ny tena marina tokoa eto Madagasikara mety azo hakana tohana sy torohevitra amin’i Rwanda eto ary ve ilay vahiny manan-kaja sa izy handrandrana indray no hanafenana loha sola ? Zava-dehibe ilay fiomanana, saingy tsy tokony ho lasa haingo ambony tsikoko fotsiny. Mendrika halain-tahaka i Paul Kagame ary eken’izao tontolo izao teny. Nahavita nampiombona sy nampandroso an’i Rwanda avy potiky ny fifamonoana tany amin’ny taona 90 ka nahafatesana 800 000 tany ho any, na avy tao anaty milisy sy nitarika ady aza izy. Azo tarafina sy hakana lesona ny zavatra nataony, ary tsy mahamenatra mihitsy ny manovo traikefa aminy, fa tsy sanatria hanaovana “marketing politique” na hakana doka fotsiny fahatongavany eto.

 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT