Marihina amin’ny fomba ofisialy anio 18 jolay ny andro ho an’i Nelson Mandela na ny “Mandela Day”.
Andro lehibe io ho an’ny Afrikanina Tatsimo sy ho an’izao tontolo izao satria tena nametraka tantara teo amin’ny fampihavanana ny zanak’olombelona niainga tamin’ny ady tamin’ny fanavakavaham-bolonkoditra na ny “Apartheid” tatsy Afrika Atsimo. Efa nibata ny loka Nobel ho an’ny fandriampahalemana I Nelson Mandela. Tahaka ny firenena maro eto ambonin’ny tany, dia tsy mamela io andro io handalo fotsiny ny eto Madagasikara amin’ny alalan’ny Masoivoho Afrikanina Tatsimo eto Madagasikara. Hanolotra fanomezana ho an’ny zaza kamboty tezaina ao amin’ny Toby Manampisoa eny Nanisana izy ireo anio tolakandro. Lohavehitra hatrany amin’ny fanamarihana ity andro manan-danja ity moa ny hoe: “Make everyday a Mandela day” na ny andro rehetra dia ataovy ho andron’i Mandela, izany hoe hampanjakana ny filaminana, ny fitiavana, ny fifanampiana,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.