Actualités

Filaharana pasipaoro tetsy Anosy Mpanolotsainana minisitra no namaha ny olana


  • Talata 21 Janoary 2020

Hafaliana sy fankasitrahana ny an’ireo olona maherin’ny 20 isa nilahatra pasipaoro tetsy amin’ny minisiteran’ny filaminana anatiny tetsy Anosy ny takarivan’ny faran’ny herinandro teo

 

 

nanoloana ny fihetsiky ny mpanolotsain’ny minisitry ny filaminana anatiny iray. Andro efa tamin’ny 5 ora sasany hariva no mbola milahatra haka ny pasipaoron’izy ireo na an’ny fianakaviany izay mila izany maika ireto olona ireto no nandalo izy ary nanazava fa efa tsy misy tompon’andraikitra intsony ao fa inona ny olana ? Rehefa nitaraina sy nanazava ireto farany fa efa nisy hatramin’ny 3 ora no nilahatra teo, ny sasany avy lavitra toy ireo avy any Mahajanga sy Antsiranana.  Ny sasany efa raiamandreny be. Ny sasany taraiky fidirana amin’ny fanohizana fianarana any andafy ny zanany raha tsy azo tamin’io fotoana io ny pasipaoro. Rehefa nahita izany dia nanapa-kevitra ity tompon’andraikitra ity, ary izy tenany mihitsy no namoaka ireo pasipaoro sy nanamarina ary nanome izany ireo tompony, tsy naka tambiny, hoy ny raim-pianakaviana iray naneho ny hafaliany. Nilaza mihitsy izy fa tsy tantiny ny mahita toe-javatra toy ireny nefa samy Malagasy. Maha te hidera ilay fihetsika ary mendrika ny tazomina amin’ny toerany sy tadiavina hameno orinasam-panjakana ny karazan’olona toy itony, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT