Raha nolazaina fa “tsy azo hanina ny lalana fa mahantra ny vahoaka Malagasy”, raha nanenjika ny filoha teo aloha Ravalomanana noho ilay resaka MAP (Madagasikara Am-Perinasa) sy ny hoe “tohizo ny lalantsika” ny ekipan’ny “fanovana” nisy ny filoha ankehitriny sy ny ekipany, enin-taona aty aoriana indray dia niova ny fomba fiteny fa “azo hanina indray ny lalana, noho ireo hanina entiny amin’ny fahavitany” araka ny nambaran’ny filoham-pirenena teny amin’ny CCI Ivato.
Raha nolazaina fa “tsy azo hanina ny lalana fa mahantra ny vahoaka Malagasy”, raha nanenjika ny filoha teo aloha Ravalomanana noho ilay resaka MAP (Madagasikara Am-Perinasa) sy ny hoe “tohizo ny lalantsika” ny ekipan’ny “fanovana” nisy ny filoha ankehitriny sy ny ekipany, enin-taona aty aoriana indray dia niova ny fomba fiteny fa “azo hanina indray ny lalana, noho ireo hanina entiny amin’ny fahavitany” araka ny nambaran’ny filoham-pirenena teny amin’ny CCI Ivato. “Sarobidy amin’ny ady atao amin’ny fahantrana eto amintsika ny fanamboaran-dalana, nefa kely ny tetibola entina manao izany izay tsy misy afa-tsy ny 8% ny tetim-bolam-panjakana ihany raha 70% izany any Congo”, hoy Atoa Roland Ratsiraka minisitry ny asa vaventy. Nomarihany anefa fa “nandritra ny 7 volana naha-minisitra azy dia maro ny fanarenana natao na teo amin’ny lalana izany na teo amin’ny famerenan-danja ny minisitera ny asa vaventy na teo amin’ny famerenana ny fitokisan’ny Malagasy ny minisitera”. Ho an’ny minisitera izany dia aorian’izao kongresy 3 andro nanasana olona an’arivony avy amin’ny kaominina sy ny distrika ary ny faritra izao, dia hisy ny fanofanana tanora 20.000 ho manampahaizana manokana momba ny lalana sy asa vaventy. Tanora 22.000 havanana amin’ny fitondrana fiara vaventy ny tao-java-baventy ary asa 75.000 no hiforona amin’ny fisian’ny fanamboaran-dalana. Ankilan’ireo, dia nahavita be momba ny lalana amin’ny maha orinasa mpandray andraikitra amin’ny fiarahamonina misy azy ny seranan-tsambon’i Toamasina, anisan’ireo mpampiranty mandritra ny kongresy eny amin’ny CCI Ivato. Ho azy ireo dia vola 9,4 arivo tapitrisa ariary no navoakany nanampiany ny tanànan’i Toamasina tamin’ny fanamboarana ampahan-dalana mirefy 06km, dia ny tao Tanamakoa – Valpinson, Rue de Commerce – Ampasimazava, Bd Joffre – Rue de la Liberation, ary ny Bd Ratsimilaho amoron-dranomasina. Ankoatra izay, dia tao anatin’ny 21 taona nisian’ny kongresy momba ny lalana sy ny fitaterana izao, dia ity kongresy faha-05 hifarana anio zoma ity no nahangona mpandray anjara maro indrindra sy nandraisan’ireo mpampiranty ny asany be indrindra, ary hita fa efa manomboka liana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Malagasy koa ry zareo aziatika tahaka ny Sinoa sy ny Indiana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.