Tsy misy afa-tsy 47 miliara ariary monja ny vola eo am-pelatanan’ny «Fonds d’Entretien Routier» hikojakojana ny lalana eto Madagasikara amin’ity taona 2016 ity.
Manodidina ny 100 miliara ariary isan-taona anefa ny tetibola ampiasain’ny FER ilaina amin’ny fanamboaran-dalana manerana ny nosy. Nandringa tanteraka io sehatra iray fanoitra ho an’ny fampandrosoana io hatramin’ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana. Tsy tontosa intsony moa ny fanarenana amin’ny laoniny ireo arabe nasionaly simba mirefy 50.000 km isan-taona tao anatin’ny enin-taona nifandimbiasan’ny fitondrana tetezamita sy ny fanjakana vaovao ara-dalàna ankehitriny. Mahatratra 345 miliara ariary ankehitriny ny fitambaran’ireo haba momba ny fikojakojana ny lalana tsy voaloan’ireo kaompania ambongadiny misahana ny fitsinjaran-tsolika eto amin’ny firenena Malagasy nanomboka ny taona 2011 hatramin’ny taona 2015. Antony tsy nahafahan’ireto farany nanefa ara-potoana ireo vola tokony hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny tohana ara-bola teo amin’ny vidin-tsolika. Olana izay eritreretina hivaha niaraka tamin’ny fahatrarantsika ny vidin-tsolika tena marina tamin’ny volana oktobra 2015. Hanamora ny asa kosa ny fitsanganan’ilay filankevitra momba ny torolalana amin’ny fikojakojana ny arabe eto Madagasikara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.