Hankalaza ny fahafolo taonany ny Charm’elle beauté eny Ampasampito, tantanan-dRamatoa Vola Rafidimaharisoa.
Hetsika telo sosona no hanamarihany izany hatramin’ny faran’ny taona dia ny fifaninanana amin’ny fanaovana maquillage sy fampihaingoana ho an’ireo efa tena havanana eto amintsika, ny fifaninanana Miss sy princesse. Hofaranana amin’ny soirée princesse izay hatao amin’ny volana desambra ny hetsika. Loka goavam-be no miandry ireo telo voalohany tsara izay manana tanjona hanandratra avo ny hetsika fikolokoloana endrika amam-bika eto amintsika. Hisy ihany koa ny tolotra manokana ho an’ireo maniry te hianatra na hanaraka fiofanana ao. Mikasika ilay raharaha fakan’ny ivontoerana iray ny anaran’izy ireo izay efa napetraka teny anivon’ny OMAPI dia fantatra fa mbola mitohy ny ady hifanandrinan’ny roa tonta eny anivon’ny tribonaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.